Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboaraben’ny “Super Coupe 2023”, taranja Rugby, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Resin’izy ireo tamin’ny isa tery 38 no ho 36 ny Cosfa miaramila. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, hita fa nifandanja tanteraka ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Ady sahala 21 no ho 21 no nentin’ireto ekipa roa ireto niala sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nahatondra baolina nentin-tanana indroa i Koroka, mpilalaon’ny FTM, sady voatsarany avokoa izany ka lasa 38 no ho 21 ny isa. Niezaka nanenjika ny isa ry Zinot, mpilalaon’ny Cosfa sy ny namany, saingy nijanona teo amin’ny 36 ny isa azon’izy ireo. Araka izany, afa-bela tamin’ny miaramila ny ekipan’i Manjakaray. Tsiahivina fa nahintsan’ny Cosfa teo amin’ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny FTM, ny taona 2023 lasa teo. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hanomboka amin’ny 17 marsa ho avy izao ny fifanintsanana Top 12, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.
Fitia Randria
Ireo voka-dalao
rehetra omaly :
FTM (38) vs (36) Cosfa
TFA (33) vs (28) Tam Anosibe
USA Ankadifotsy (23) vs (45) Mang’Art
UASC (24) vs (20) FTBA