TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, manomboka ny 5 -16 marsa 2024, ny fampirantiana « Planète femmes ». Ireo sary niatrika ny famaranana nandritra ny « Concours international de photographie », miisa 26, ny taona 2012 no haseho mandritra ny hetsika.

Mitombo hatrany ny fanararaotra ho an’ny Malagasy mpisehatra eo anivon’ny sarimihetsika noho ny fisian’ny hetsika iraisam-pirenena maro. Hotanterahina ny 8-12 avrily 2024, ao St Paul, La Réunion, ny andiany voalohany amin’ny « Festival International du Film de l’Océan Indien (FIFOI). Fifaninanana, fizarana traikefa, fahaiza-manao ary fifanakalozana no handravaka ny hetsika.

Hisy ny hetsika ara-kolontsaina sy haikanto mandritra ny “Smatch’in”, izay hetsika ara-panatanjahantena, hifaninanan’ireo oniversite sy ivontoerana ambony eto Madagasikara. Hita ao anatin’izany ny fifaninanana “Miss & Mister”, eo ihany koa ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny fikosehana kapila.

Hetsika maro, eo amin’ny sehatry ny teatra, no hotontosaina ao anatin’izao volan’ny teatra izao. Anisan’izany ny “Temps fort théatre”, atao eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 10-28 marsa 2024. Fampisehoana, atrikasa, velakevitra. Ireo no handrafitra ny fandaharam-potoan’ny hetsika

Partager sur: