Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Nametraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindrandrahana ny DRTP, ny 22 febroary, ary niakatra teny amin’ ny Fampanoavana ao Ambositra, ny 2 marsa. Notazonina vonjimaika am-ponja ny iray tamin’ireo olona dimy voarohirohy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Sokajiana ho heloka bevava ny fanimbana sy ny fangalarana fotodrafitrasam-panjakana toy izao, izay fananana iombonana. Migadra dimy hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ho an’ireo tratra manao izany.
Tsiahivina fa nisy olona sivy ihany koa, naiditra vonjimaika am-ponja tamin’ireo 15 voarohirohy tamin’ny halatra vy tany amin’ny tetezana iray any Fisoronana Faratsiho, faritra Vakinankaratra. Nahazo fahafahana vonjimaika ny telo tamin’izy ireo. Ny alin’ny 25 febroary no nahatraran’ny kaomisera sy ny sampana Asa vaventy tany Faratsiho ireto olona ireto.
Manentana ny mponina hatrany ny tomponandraiki-panjakana hitoroka na hampilaza azy ireo raha mahita tranga fanimbana fotodrafitrasa ho an’ny daholobe toy izao.
Njaka A.