Ambohibao: jiolahy iray lavon’ny zandary

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika indray teny Morondava, kaominina ambanivohitr’Am­bohi­bao Antehiroka, omaly alina. Efa-dahy ry zalahy no niditra antsokosoko tao amina tokantranon’olona iray eny an-toerana, tamin’io fotoana io. Maty paika tanteraka ity fanafihan-jiolahy ity satria efa voaomana mialoha ny fomba hidiran’izy ireo ao amin’ity tanàna ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nahita ny zanaky ny tompon-trano nivoaka izy ireo ka notsenainy sady voambana basy niampy fandrahonana. Nibaiko ilay tovolahy ry zalahy mba hitondra azy ireo hiverina ao an-trano. Na teo aza anefa ny vavabasy nitohoka teo amin’ ny tendany dia afaka nihorakoraka niantso vonjy ilay tovolahy ka nanaitra ny tao an-trano sy ny manodidina teo an-tanàna izany. Nifanome tanana niantso zandary ireo mpiara-monina teo an-tanàna. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary ka voahodidina ny trano na nikasa hitsoaka aza ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifampitifirana satria tsy nanaiky lembenana ireo olon-dratsy. Nifamaliana ny tifitra ka maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy raha tafaporitsaka kosa ireo namany telo lahy. Nitohy ihany ny fifanenjehana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Vokany, tratra teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, fokontany Morondava Antehiroka ihany ny roa tamin’ireo jiolahy. Basy poleta iray niaraka ta­min’ny bala no tratra teny amin’izy ireo. Mitohy kosa ny hazalambo ataon’ny zandary amin’ilay jiolahy iray tafatsoaka.

J.C

Partager sur: