Araka ny antontanisa voarain’ny veterinera na ireo dokotera mpitsabo biby, maherin’ny 100 ny reniomby matin’ny aretina « boroka » isan-taona any Ihorombe. Napetraka ny paikady hizarana fanafody sy vitamina ny reniomby hamahana ny olana.
Voambolana fampiasa any amin’ny foko bara ny aretin’ omby « boroka », ilazana ny omby mahia sy sahozanina. Vokatry ny tsy fahampian-tsakafo mandritra ny maintany izany, sady misy katsentsitra mikiky ka mamparefo azy ireo. Anisan’ny tena maty lasibatry ny boroka ny reniomby, izay tokony hiteraka sy hampitombo isa ny omby sady mbola mampinono. Raha tombanana ho 1 000 000 Ar ny vidin’ny reniomby iray (antsoina hoe « tamàna » amin’ny fiteny bara), mahatratra 100 000 000 Ar, noho izany, ny fatiantoka isan-taona vokatry ny aretina boroka.
Manoloana ireo, namolavola paikady fohy ezaka sy lavitr’ ezaka ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), tamin’ny alalan’ny Fitantanam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Ihorombe. Antsoina hoe « ady amin’ny tamàna boroka » ity paikady ity, entina hanafoanana ny fatiantoky ny tompon’omby any Ihorombe. Tafiditra ao anatin’ny tanjona 100 andron’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ao amin’ny minisitera Minae izany.
Fanafody sy vitamina
Hisy ny fizarana fanafody faobe, hanalana ny katsentsitra sy ny fanomezana vitamina ny reniomby marefo. Hitety ny tsenan’omby any Ihorombe ny teknisiana hanentana sy hampianatra mahakasika ny sakafom-biby sy ny fitahirizana azy ary ny fambolena akata. Miisa 10 000 ny reniomby vinavinaina hisitraka ny fikarakarana maimaimpoana.
Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny fiompiana (Fel) ao amin’ ny Minae ny famatsiam-bola hanatanterahina ny asa, ho hampiasain’ny Fitantanana ny asan’ny veterinera (DSV) sy ny veterinera tsy miankina. Hametraka toeram-piraofana maharitra (kijana) kosa ny Fandaharanasa “PLAE” ao amin’ny minisitera.
Nosokafana ny 1 marsa teo, nandritra ny tsenabe, tany amin’ny kaominina Andiolava, Ihosy, faritra Ihorombe, ny
hetsika « Ady amin’ny tamàna boroka ». Nanatrika ny fotoana, ny DG-n’ny Fel, ny ekipan’ny Minae, ny DSV, ny DAPA sy olo-manankaja maro any an-toerana.
Njaka Andriantefiarinesy