Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo.
Hotontosaina eto Antananarivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Business (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay mitondra ny lohahevitra “ fanafainganana ny fandraisan’anjaran’ ireo vehivavy mpandraharaha eo amin’ny tsenan’ny COMESA izay tafiditra ao anatin’ny
ZLECAF, miorina ao anatin’
ny famatsiam-bola maitso, ny rojom-pihariana ary ny fizahantany». « Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha sy ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny fifanakalozam-barotra malalaka aty Afrika (ZLECAF)», hoy ny fanazavan-dRazakaboana Fanja, filohan’ny COMFWB- Madagascar sy ny filohan’ny Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar (GFEM) omaly, tetsy Antanimena. Vehivavy mpandraharaha maherin’ny 500, avy amina firenena Afrikanina 21, no handray anjara amin’ny hetsika mandritra ny roa andro. Ankoatra izay, hisy ny fifanakalozana ara-barotra sy fihaonan’ireo samy mpandraharaha mandritra ny hetsika.
Vina
Mikendry ny fampiroboroboana ny famoronana sy ny fampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy ao anatin’ny sehatra samihafa ny hetsika. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fambolena, ny lamba, ny fizahantany, ny teknolojia ary ny tolotra famatsiam-bola isan-karazany. Hisy ny fifanakalozana amin’ireo matihanina momba ny fampiasam-bola, hanampiana ny vehivavy mpandraharahara izay mazàna misedra ny olan’ny famatsiam-bola. Noho izany, manodidina ny 3 000 ireo mpitsidika andrasana mandritra ny “COMFWB Trade Fair” andiany fahadimy. Goavana ny hetsika noho izy mampisongadina ny fampiasam-bola maitso sy lovain-jafy aty Afrika. Hisy, araka izany, ny fifanakalozana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, handraisan’ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana anjara amin’ny fampiroboroboana ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny fanamafisana ny fizakan-tena ara-toekarena ho an’ny vehivavy.
Henintsoa Hani