“Raha te hanao politika ny tsirairay ka te handray andraikitra amin’ny firenena, manolotra anarana any amin’ny IRD hisafidy izay mamim-bahoaka ny Emergence Madagascar. Izay olona mety ho voafidy, manana traikefa sy fahaiza-manao, manana ny fahaiza-manentana ny vahoaka amin’ny fampandrosoana no hatolotra”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanarijaona Holijaona, momba ny fanoloran’ny fikambanana kandidà ho depiote. Tamin’ny voalohany, saika manampahaizana manokana na mpahay toekarena avokoa no tao anatiny. Amin’izao, efa vahoaka no mankasitraka ny fomba fijeriny ary miparitaka manerana an’i Madagasikara ny fikambanana. Saingy tsy rafitra politika izy, fa rafitra fikambanana.
Tsangan-kevitra fa tsy tsangan’olona ny fomba fijeriny hatramin’izay. Ny fifanomezan-tanana amin’ny fitondram-panjakana hatramin’izay dia mitondra eo amin’ny lafiny toekarena, teknika, fandaharanasa, drafitrasa fampandrosoana. Ny Initiative pour l’émergence de Madagascar (IEM) mandra-pahatonga aty amin’ ny Plan émergence Madagascar (PEM) dia saika avy amin’ireo teknisiana sy ny manampahaizana manokana ao aminy.
R. Nd.