Tetikasa mifanohy amin’ny « Tosik’Art » ny « Prom’Art ». Natao hampivoatra, hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokariny izany, hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny asany. Nisy ny fiofanana izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Prom’Art », natao tao amin’ny Tranoben’ ny kolontsaina sy ny serasera Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisitraka izany ireo solotenam-pikambanana miisa 40 misehatra amin’ny zavakanto ara-kolontsaina any an-toerana izay nahitana mpihira, mpandihy, mpitendry, mpikabary, mpanoratra sy mpanao hosodoko, sns… Niantsoroka ny fampiofanana ireo avy ao amin’ny « Centre d’excellence en entrepreunariat », ka nifototra kokoa tamin’ny fandraharahana ara-kolontsaina izany.
Tsapan’ny rehetra fa ilaina fahaiza-manao ny famadihana ho vola ny talenta sy ny kanto vokarina. Manjavozavo hatramin’izay ny sehatry ny fihariana manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina, ka mitsapatsapa ihany izay milomano ao anatiny. Mba hahatonga izany ho fihariana maharitra sy mahavelona ho an’ireo mpisehatra no antony namolavolan’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny zavakanto artistika eto anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ity tetikasa ity. Mbola hisy manerana ireo faritra rehetra ny fampiofanana, indrindra ireo efa manana ny Ivontoeram-pikotrehana orinasa manodidina ny kolontsaina sy ny zavakanto.
Zo ny Aina