FANTINA sy FINTINA

Notoloran’ny filohan’ny Antenimieram­pi­renena, Razanamahasoa Christine, vola ireo fikambanam-behivavy mikarakara ny 8 marsa ao Am­ba­tofinandrahana. Nahazo vola koa ireo kaominina telo andrefan’ny distrika ary ny dorkasy FJKM hanao zaikabe any Antsirabe.

Mbola kandidà depiote eny amin’ny boriborintany fahenina, Andriamampandry Todisoa. Hatolotry ny Vovonana Firaisankina : Tim, HVM, APM, Tsara Tahafina, ProSiteny ny tenany. Nampahafantarin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ny sabotsy teo izany.

Voatendry ho tale kabinetran’ny Anteni­mi­erampirenena, Ratolojanahary Maharavo na i Doudou. Administratera sivily misotro ronono ny tenany ary efa sekretera jeneralin’ny faritra Sofia teo aloha. Mpitarika ny vovonana Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP) fony fitondrana Rajaonarimampianina.

Manentana ny rehetra ny Ceni mandritra ny 20 andro, amin’ity volana marsa ity mba hanamarina ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny mombamomba azy : www.ceni-madagascar.mg. Afaka manatona eny amin’ ny biraom-pokontany koa mijery ny lisitra natonta vonjimaika.

Partager sur: