Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny antotanisa (INSTAT) nandritra ny roa taona no nahazoana ireto vokatra ireto. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny toekarena, ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fisitrahana rano fisotro madio ary ny fahazoana herinaratra. Olana goavana iraisan’ny ankamaroana tokantrano maro manerana ny Nosy ny sehatry ny fanabeazana. Mahatratra 97% ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara. Manodidina ny 83,5% kosa ireo nahavita fianarana ambaratonga voalohany. Manana taham-pahantrana ambany ny 46% ireo nahavita fianarana eo amin’ ny ambaratonga faharoa raha toa ka mihena hatrany amin’ny 17% izany ho an’ireo nahavita ny ambaratonga ambony.
Fanabeazana
Mahatratra 95% ny taham-pidiran’ny zaza malagasy eo amin’ny ambaratonga voalohany saingy latsaky ny ampahatelon’ny ankizy no mahatody hatramin’ny taona fahadimy, hoy hatrany ny Banky iraisam-pirenena. Manampy trotraka, hoy izy ireo, ny tsy fahampian’ny rafi-panabeazana, ireo fahalalana hanamafisany ny fahaiza-manao entiny hamokarana. Sakana tsy ahafahan’ny ankizy malagasy misitraka fanabeazana ny olana ara-bola, ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nilaza ny Cercle de refléxion des économistes de Madagascar (CREM) fa mbola ambany ny harinkarena eto Madagasikara ka tsy hahafahana miady amin’ny fahantrana. Nohamafisiny fa mbola ny 5% ny Malagasy no mahavita fianarana ambony eny anivon’ny oniversite.
Henintsoa H.