INDRAY MIJERY

Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo. Fototra iorenan’ny fikarohana ny zavamaniry sy ny biby ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo mpikambana miisa 379. Handray anjara amin’ny fanome­zana sakafo ho an’ireo biby ao Tsimbazaza ihany koa izy ireo.

Miantsehatra amin’ny fiarovana ny zavamananaina sy ny bibidia, amin’ny alalan’ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko, ny USAID. Eo koa ny fanohanany ny fitantanana madio sy mangarahara ary ny fampiro­boroboana ny tetikasa miaro ny biby tsy ho lany tamingana. Efa maherin’ny 70% amin’ny zavamananaina sy ny bibidia no lany tamingana tao anatin’ny 50 taona.

Nitsidika ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Napetraka ny vato fototra hanorenana toeram-pandrahoana, izay vinavinaina ho vita ao anatin’ny roa herinandro. Nijery ny moba ny rano koa izy ka hita fa mandeha tsara izany Mpianatra 12 000 no mandranto fianarana ao amin’io oniversite io, ankehitriny.

Miisa 226 ny efitranon-tsekoly LTP sy toeram-piofanana CFP nohatsaraina tao anatin’ny andron’ny ivontoeram-panofanana izay notanterahin’ny minisite­ran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Novitaina tamin’ny alalan’ny hetsika tagnamaro izany.

Partager sur: