Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana ara-miaramila nandraisan’ny Jly Rakotomalala Jean Herbert Andriatahiana ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena (COM-GN). Lanonana teo ambany fitarihan’ ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry, izay nanolotra azy ny fanevan’ ny zandarimariam-pirenena. Tonga nanome voninahitra ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sady mpitarika ny OMC Nosy, Ntsay Christian, miaraka amin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony, nahitana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ary ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta. « Mivoatra ny adidy sy andraikitra ka hisaorana ny filohan’ ny Repoblika, Andry Rajoelina, nanapa-kevitra ny hanomezana izany adidy sy andraikitra izany ho an’ny Jly Andri-antahiana Jean Herbert Rakotomalala », hoy ny lehiben’ny governemanta. Nohamafisiny fa tsy kilalao ny andraikitra na andrankandrana ary ny fanomezana toky dia tokony hisy fahamendrehana eo amin’ny fanatanterahana azy. Mila mijoro sy manatanteraka ny asany amin’ny rariny sy ny
hitsiny ny tomponandraikitra rehetra na mora na sarotra mba ho tombontsoan’ny firenena. « Maro ny adidy miandray ka ilàna fahaiza-manao, ny fitsipi-pifehezana ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly izay tokony haseho isan’andro », hoy izy. Nofaranana tamin’ny matso ny lanonana.
Jean Claude