Anisan’ireo kolontsaina aziatika mihamahazo laka eto amintsika ny an-dry zareo Japoney. Antony iray mahatonga izany ny fankafizan’ny Malagasy sarimiaina “Manga” maro samihafa. Ho fampiroboroboana izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika.
Eny amin’ny Maison sociale des arts d’Antananarivo Ambatovinaky, isaky ny alarobia sy ny sabotsy, no hanatanterahina ny atrikasa momba ny sary, indrindra ny hosodoko. Ny fikambanana Manga Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy, miaraka amin’ny mpampiantrano no mikarakara ny hetsika. Mahazo tombony manokana ny mpankafy sary miaina, indrindra ny « Manga », izay sarimiaina Japoney. Tanjona ny hivelarana amin’ny kolontsaina sy haikanto hafa, ankoatra ny misy sy iainana eto Madagasikara.
Atrikasa maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny sary sy ny hosodoko, no ho hita eny an-toerana. Anisan’izany ny atrikasa manokana fanaovana ity sary “Manga” ity. Misy ihany koa ny ho an’ny mpankafy sarimiaina “Marvel& Avengers”. Araka izany, hahazo vahana manokana ny mpankafy ireo sarimiaina ireo. Ankoatra izay anefa, hisy ihany koa ny atrikasa ho an’ny haikanto plastika, ho an’ny sary sy nyt hosodoko amin’ny ankapobeny ary ny “peinture bas relief”.
Mihamahazo toerana
Tato anatin’ny 10 taona farany, nanomboka nahazo toerana sy nahaliana ny Malagasy, indrindra ny tanora, ny kolontsaina Japoney. Anisan’izany ny fiakanjo, ny taovolo, ny fandihy, ny haify… Efa misy mihitsy ireo fikambanana isan-karazany mamondrona azy ireny, ary mikarakara hetsika maro hampiroboroboana izany. Anisan’izany ity atrikasa fanaovana sary sy hosodoko momba ny “Manga”, karazana sarimiaina Japoney, izay manana ny mampiavaka azy manokana, amin’ny endriky ny mpandray anjara ao anatiny.
Amin’ny ankapobeny, ilaina ny mamantatra sy mahafehy ny kolontsain’ny hafa saingy tokony ho laharam-pahamehana koa ny an’ny tena.
Lin