78 ireo mpamatsy fanafody ambongadiny eny anivon’ny distrika na PhaGDis nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID tamin’ny alalan’ny tetikasa “Impact”.
Ireo ekipan’ny PhaGDis ireo no manome toky ny fisitrahana fitaovana ara-pahasalamana sy fanafody manavotra ain’olona eny ifotony. Mamatsy ireo farmasia madinika eny anivon’ny kaominina izy ireo. Miantoka ny fandrindrana ny fanafody miditra sy mivoaka ary mitahiry izany hanaraka ny fenitra. Mikirakira ny rojom-pamatsiam-panafody amin’ireo kaominina manodidina, indrindra ireo tena alavitra sy saro-dalana.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiantohana ny fahasalaman’ny marary ny fisian’ny fanafody tsy tapaka eny anivon’ny tobim-pahasalamana.
Tetsy andaniny, notolorana solosaina hanatsarana ny fomba fiasa ny sampandraharahan’ny farmasia sy ny laboratoara ary ny fitsaboana nentim-paharazana eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tatiana A