Afaka manitatra ny lalambarotrany eny amin’ny tsenambarotra lehibe ny mpandresy miisa efatra tamin’ny amboara « Pierre Castel », (andiany 2022 sy 2023), notohanan’ny orinasa Star.
Nisitraka izany ny orinasa Honey of Madagasikara, manangona, manodina ary manondrana tantely. Eo koa ny Tiava, mamokatra totom-boanjo natoraly, mamy sy masira. Ny Kassava, mamokatra lafarinina mangahazo ho lasa vokatra azo hanina. Ary ny Moli Company, manangona sy manodina ny kafe voatoto anaty fonosana. Hita eny amin’ny talantalana ho an’ny vokatra vita malagasy ao amin’ny tsenambarotra Carrefour Ankorondrano sy eny amin’ny Score Digue ireo vokatra ireo.
Nambaran’ny talen’ny fifandraisana Star, Randriambolamanana Seheno, fa mikendry ny fampiroboroboana ara-barotra ho an’ny mpandresy “Pierre Castel” ny orinasa Star. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny fampifandraisana azy ireo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampiasa vola toy izao iarahana amin’ny Carrefour izao.
Ankoatra izay, efa misokatra ny 1 marsa hatramin’ny 15 avrily ny andiany 2024. Afaka manolotra ny tetikasany ny Malagasy mpandraharaha, 18-45 taona, misehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Hahazo fiofanana sy vola 15 000 euros izay mahazo ny voalohany, fiofanana sy 10 000 euros ho an’ny faharoa ary fiofanana momba ny varotra iraisam-pirenena ho an’ny telo farany.
Njaka A.