Andriamarotafika Soava : “Mila manadihady ny momba ireo kandidà ny olompirenena”

“Raha ny tokony ho izy, manao fanadihadiana ny olompirenena fa tsy mihinana amam-bolony”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­ro­tafika Soava, manoloana ny mety hirotsahan-kofidina ho solombavambahoaka a,’ireo efa manomboka midina ifotony amin’izao fotoana ary ao ny manomboka mizara fanomezana etsy sy eroa. Tena mi­fandrify amin’izay lazainy tokoa ve ny fihetsiny sy ny ataon’ny olona manatona ny tena sy manazava hevitra hatramin’ izay sa manao izay fomba haka ny fo sy ny vaton’ny tena fotsiny? Mana­na fahafahana sy fahazoana manadihady an’izay ny olompirenena amin’izao. Heverina hoe mba hanao safidy araka izay tena maharesy lahatra azy ny olompirenena fa tsy sanatria hoe noho ny kitolotolotra na fanomezana etsy sy eroa no mitondra na mibaiko ny safidiny.
“Raha mitaha amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ohatra, ny olona hofidina amin’ny fifidianana solombavambahoaka dia olona eny anivon’ny distrika”, hoy kosa izy momba ny hoe fifidianana ma­nakaiky vahoaka ny fifidianana solombavambahoaka. Ma­zava fa olona akaiky kokoa ny vahoaka ny mpirotsa-kofidina, azon’ny vahoaka hatonina, hitondrany ny hetahetany, arahiny maso ny asa ataony koa satria ny depiote no manara-maso ny asan’ny governemanta dia manara-maso ny asan’ny depiote koa ny vahoaka: mahavita ny asa, mahatondra ny teny sy ny hetahetany, mahaaro ny tombontsoany tokoa any anivon’ny governemanta… ?

R. Nd.

Partager sur: