Anosibe; voasambotra i Da-Willy ilay nanolan-jaza

Tratra tao anatin’ny 24 ora nikarohana azy ilay mpanolan-jaza nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Simba tanteraka ilay zaza naolany.

Nanaovan’ny polisy ro­tsak’alina, tra-tehaka teo Anosibe, omaly maraina, i Da-Willy, ilay lehilahy nanolan-jaza vao 6 taona monja. Nifampita­diavan’ny mpi­tandro filaminana, na­nomboka afako­maly,izy ity. Ni­rahiny nividy sigara ilay zazavavy kely rehefa nilalao teo an-tokotany. Nanatitra ny sigara tao amin’ny trano, niharan’ny fanolanana. Simba tanteraka ilay lasibatra. Nahitana ratra ny faritry ny vatany vokatry ny herisetra nihatra taminy. Kamboty rahateo io zaza io. Nentin’ny manodidina nihazo ny toeram-pitsaboana izy ka manaraka fitsaboana eny anivon’ny HJRA. Namoahan’ny mpitandro filaminana taratasy fikarohana ilay nahavanon-doza ka izao voasambotra izao. Hentitra ny minisitry ny Mponina, nilaza fa tsy maintsy vosirina io lehilahy namoafady sy nanimba zaza tsy ampy taona io. Nirongatra izaitsizy ity tranga fanolanan-jaza ity tao anatin’ny telo volana. Zaza tsy ampy taona avokoa ireo lasibatra. Misy mihitsy ireo namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: