Tsikaritra tato anatin’ny herinandro vitsy ny firaisankinan’ ny sendikan’ny dokotera mpitsabo (SMédFM), amin’ny fitazomana am-ponja ireo dokotera namany. Miray feo amin’ny holafitry ny dokotera ho fangatahana famotsorana azy ireo eo am-piandrasana ny fitsarana.
Tetsy andaniny, nanazava ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Naivolalaina Eric, fa raha resaka fitsaboana dia tsy misy antony hangalarana taova. Misy ireo dokotera voarohirohy amin’izany ka nitondrany fanazavana.
Tsy mbola mahavita greffe sy transplantation d’organe isika noho ny antony ara-pitaovana.
Greffe de cornée amin’ny maso no vita eto kanefa cornée efa voakarakara avy any ivelany no ampiasaina. Misy pitsompitsony marobe ny fangalana ny taova ho afindra ary misy fomba manokana hitehirizana sy hitondrana azy.
Mila afindra malaky koa ny taova amin’ny ankapobeny ka mbola tsy misy vita eto amintsika izany, hoy hatrany ny fanamarihan’ity filohan’ny holafitra ity. Tsy miditra amin’ny antony hafa toy ny fanamboarana ody gasy sy ny sisa kosa ny siantifika.
Tatiana A