Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy.
Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny 16 marsa 2024, ny hetsika «Planète femmes». Fampirantiana sary hanehoana ny maha izy sy ny sedra ary ny andavanandrom-pianan’ny vehivavy. Tanjona ny
hametrahana amin’ny toerana tokony hisy azy ny haikanton’ ny vehivavy sy ny vehivavy mpahay kanto, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny saripika.
Saripika miisa 26 niavaka indrindra, nandritra ny “Concours international de photographie sur la femme”, nokarakarain’ny Fondation Alliance française, ny taona 2012. Alliance française miisa 200, avy amina firenena 80 no nandray anjara tamin’izany fifaninanana izany, ary ny sary 26 niavaka indrindra tamin’izany no haseho mandritra ny « Planète femmes ». Araka izany, haikanto vitan’ny vehivavy sy vehivavy mpahay kanto avy amina firenena maro no ho hita mandritra ny hesika. « Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity fampirantiana ity. Hetsika natao hampahatonga saina ny rehetra, eny fa na ny vehivavy koa aza, fa mahavita sy mitovy amin’ny rehetra izy ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny saripika », hoy i Nivomanana Henriette, Tomponandraikitry ny Planète femmes.
Mpahay kanto miavaka
Ankoatra ny fanehoana ny maha izy ny vehivavy. Fotoana ihany koa ity ahafahan’ny Malagasy mpaka saripika maka traikefa sy fahaiza-manao. Anisan’ny miranty ao amin’ny efitrano malalaky ny AFT Andavamamba, ny saripika an’i Sam Lim, mpaka sary, avy any Malaisie, sy i Manuel Araya, avy any Argentina, izay samy nahazo ny laharana voalohany nandritra ny fifaninanana “Concours international de photographie sur la femme”.
Lin