FANTINA sy FINTINA

Tokony ho voatendry amin’ity volana ity ireo sekreteram-panjakana, araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Prezidansa. Efa nisy ny sasany amin’ireo kandidà 800 latsaka, nataon’ny filoham-pirenena tombana, ankoatra ireo mbola mandalo sivana, eo anatrehan’ilay kabinetra manokana misahana izany.
Hanala baraka eo amin’ny iraisam-pirenena ny famosirana ireo mpanolana, araka ny nambaran’ny Dr Rafaralahimalala Vonjisoa. “Manitsakitsaka ny zon’olombelona ary miteraka voka-dratsy ara-pahasalamana izany ka tokony hotsipahina”, hoy izy. Resy lahatra kosa izy fa sazy henjana hafa no omena ny mpanolana.
“Hotsarain’ny vahoaka amin’ny fifidianana ho avy eo ny tenako”, hoy ny depiote voafidy tany Tsihombe, i Masy Goulamaly. Niasa amin’ny maha depiote ve? Tena nitondra tenin’ny vahoaka nifidy? Nandroso volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera ary nanara-maso ny mpanatanteraka ve? Araka ny fanontaniany.
Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondrana sy ny avy amin’ny mpanohitra amin’ny fifidianana depiote hatao ny 29 mey izao, araka ny hevitry ny antoko Fiombonana. Nambaran’izy ireo fa tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin’ny volana novambra lasa teo.

Partager sur: