Fiaran’ny polisy : nandeha ho azy teo am-panamboarana

Saika zava-doza! Niharan-doza ny fiaran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Ambat­o­ndrazaka, omaly, ka potika tanteraka ny lohany. Nam­boarina noho ny olana teknika izay voalazan’ny mpanamboatra fa tsy nasiana « frein à main » mitazona azy ity fiara ity. Niroso nandeha tampoka nihazo ny fidinana mandalo ny kaomisaria anefa ilay fiara ka nifatratra tami’ny andrin-jiron’ny Jirama. Voatohana teo ka tsy lasa lavitra ary tsy namoa-doza tamin’ireo olona nandeha teny anèdalana. Teny ivelany fa tsy tao ambany fiara koa ny mpanamboatra ka nieren-doza. Tsy nisy ny naratra tamin’izany. Mandray an-tanana ity raharaha ity ny polisy.

J.C

Partager sur: