Lalaina zanadrano : Mpanavotra olona maty an-drano

Mahagaga sy sarotra inoana saingy tena misy ny olona nomem-pahasoavana hafahafa amin’ny fiainana. Anisan’i reny i Lalaina zanadrano, in-46 nikaroka olona maty an-drano.

Tovolahy iray, zanak’ olona sahirana, monina sy mipetraka ao Sala­zamay Atsimo, i Lalaina. Noraisin’ny kaominina ho mpiasa eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina noho ny fahaizany manokana mahakasika ny vonjy aina. Manampy izany, ny fisian’ny zavatra mipetraka ao aminy, entiny hanampiany ny mpiara-belona. Tsy miasa isan’ andro tahaka ny mpiasa rehetra izy fa rehefa misy olona atelin’ny rano ihany vao alaina any an-tranony. Toy ireny olona manana olona ara-tsaina ireny ny fahitana an’i Lalaina amin’ny andavanandro. Maro anefa ny olona mahita soa avy amin’ny fanampiana entiny.
“Tsy mandray vola amin’ny fianakavian’ny olona mila tolo-tanana amiko aho raha vonjy aina no resahina”, hoy i Lalaina. Nilaza izy fa afaka manome izay foiny kosa izy ireo raha misy ny fahatsoram-pony. “Ady mafy sy sarotra ny atrehako sy miandry ahy manoloana ireo olona atelin’ny ranomasina na ranomamy”, hoy hatrany izy.

An-taona maro
Efa ela niseharana teo amin’ny fanavotana olona lasan’ny rano i Lalaina, raha ny fanazavany. “Nahatratra 46 ireo fikarohana olona natelin’ ny rano efa nataony, na an-dranomasina io na an-dranomamy”, hoy ny fanazavany. Velona soa aman-tsara ny enina tamin’ ireo, raha efa maty avokoa ny 40. No­ha­za­vainy fa zava-dehibe ny fahitana ny razana mba tsy ho very faty ny fianakaviana. Niseho nanerana ny faritra maro teto Madagasikara ireo tranga hitany ireo. Anisan’izany, i Toa­ma­sina I sy II, Brickaville, Ma­nan­jary, Bealanana… Indroa kosa izy no nampiasain’ olona nikaroka harena sarobidy tany anaty renirano mandeha, tany amin’ny faritra Sofia.

Tovolahikely
Tranga farany niseho tany an-toerana, nisy tovolahikely efa nentin’ny ranoma­si­na, nan­dritra ny roa andro, ny talata 26 febroary lasa teo. Avy any Foulpointe izy io no niainga ary tonga tany amin’ny “Bouet vert” Toamasina. 500 metatra miala ny torapasiky ny Lycée Jacques Rabe­manan­jara. Anisan’ny nanavotra io tovolahikely io i Lalaina, tovolahy 29 taona, zanadrano, mitady sy mamonjy ireo olona atelin’ny ranomasina na ranomamy.

Manana ny fomba fijeriny manokana mahakasika ny tranga mahatonga ny olona hatelin’ny rano izy manoloana izany, raha ny fanadihadiana natao taminy. “Biby na lolo fitoloha sy maso no mihazona ilay olona ao ambany rano na ranomasina ka mahatonga azy ireny milentika any”, hoy izy nanazava. Antony mahatonga izany ny tsy fanajan’izy ireny ny fady eny amin’ny ranomasina na ranomamy. Mety ho zavatra nataon’ny olona ihany koa anefa izany. “Raha tonga ara-potoana ny fanavotako ilay olona dia eo aho no miady amin’ilay biby, amin’ny alalan’ny sorabe. Izay hany fitaovana entiko miady aminy satria herin’ny maizina io biby io”, hoy hatrany izy nanamafy. Nambarany fa raha misy fahatarana ny fahatongavany mamonjy ilay olona, efa afenin’ilay biby ny vata-mangatsiakany. Ilàna fombafomba faharoa amin’ny endriny hafa ny fitadiavana io razana io amin’izay, satria misy fadiny ny rano.

Tsy tokony hiaraka milomano amin’ny alika

Maro amin’ny vahoaka malagasy no tsy mahafantatra ny fady eny amin’ny toerana alehany. Tsara anefa ny fanajana ny fady rehetra eny anivon’ny fiarahamonina mba tsy hisian’ ny loza miseho matetika. Vanim-potoana mahabe olona mivezivezy mankany amin’ny faritra ny fotoam-pialantsasatra. Matetika ireo olona vahiny no tena lasibatra amin’ny fisehoan’ny loza, saika manerana ny faritra rehetra, eto amin’ny Nosy.
Ireto misy fady sy zavatra tsy tokony hataon’ny olona amin’ny ankapobeny. Tsy tokony hiaraka milomano amin’ny alika ny olombelona, tsy mety ary fady amintsika Malagasy rahateo izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ny fampandroana alika amin’ny ranomasina dia midika fa fanotàna fady ny rano. Vokany, mitarika loza na fahafatesana eo amin’ny olona tsy nanao izany akory ny tranga toy izany. Ankoatra izay, tsy azo atao ihany koa ny mikasika na misasa amin’ny ranomasina raha toa ka avy nihinana henan-kisoa, na mamo. Tsy azo atao ihany koa ny manao maloto eny
amin’ny rano. Fanotàna fady avokoa ny fanaovana ireo tranga rehetra ireo ary mitarika ho amin’ny fisiana fiteleman’ny rano ny olona. «Tsara ny hamantaran’ny maro ireo tranga sy zavatra tsy azo atao ireo, indrindra efa manakaiky ny fotoam-pialantsasatry ny Paka. Tanjona ny hisorohana ny loza”, hoy hatrany i Lalaina zanadrano.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: