Hampitombo ny tahan’ny tanora misitraka asa sahaza ny fampiofanana faobe arahina fandraisana mpiasa mivantana amin’ny asan’ny web.
Tanora miisa 200 tamin’ireo 800 namaly ny antso nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa no nanaraka fiofanana amin’ny Asan’ ny web, andiany voalohany, ao Toamasina. Tsy maintsy nandalo sivana izy ireo mba hahafahana manome fiofanana manana kalitao. Natomboka ny 26 febroary lasa teo, tany an-toerana, ny fiofanana. Taorian’ny fampiofanana, hisy ny fandraisana mpiasa mivantana ataon’ireo orinasa misehatra amin’ny tontolon’ny internet ao Toamasina. Toy ny natao teto Antananarivo, hisy fanofanana mialoha izany ireo tanora ireo, ahafahany mampiseho eo anatrehan’ny mpampiasa fa manana ny fahaiza-manao izy ireo. Anio no hanatanterahina ny fiofanana ho an’ireo tanora 200 ary rahampitso no ho avy ao amin’ny PACT Toamasina, ny mpitantana orinasa hifantina ireo tanora mahafeno fepetra horaisiny hiasa avy hatrany.
Tanjon’ny fampiofanana faobe rahateo ny hidiran’ny tanora avy hatrany amin’ny tontolon’ny asa, rehefa avy manaraka fiofanana. Manaraka azy ireo hatrany ny minisitera sy ny mpampiofana mandra-pahatafiditra azy ireo amin’ny sehatry ny asa tanteraka.
Tena miroborobo sy misampana amin’ny sehatra maro (call center, web marketing, mailing…) ny Asan’ny web ary mivelatra amin’ny faritra maro. Hitohy amin’ny faritra hafa ny fanofanana faobe. Faritra roa no efa nisitraka ny fampiofanana ho an’ny tanora.
Teto Antananarivo, orinasa fito no nitafa mivantana tamin’ireo tanora vita fiofanana tamin’ny asan’ny web. Afapo tamin’ireo tanora izy ireo satria mahafeno ny fepetra takina avokoa ireo niatrika ny mpitantana orinasa.
Vonjy A.