Nilaza ho misy olona miaro: Tovolahy iray nihetraketraka

Tsy nahazaka ny teny nataon’ny anankiray nifanila latabatra taminy ny tovolahy iray ka antony nahatonga ny fifandonana. Niafara tamin’ny totohondry izany. Nivoaka ny trano, namelona fiara ka notrongisiny avokoa ny moto rehetra teo amin’ny fiantsonana. Tsy vitan’izay fa nahitsiny hatrany am-pivarotana mihitsy ilay fiara. Vaky ny varavaran’ilay toeram-pisotroana, potika ihany koa ireo moto efatra, olona iray naratra mafy. Teo am-pikasana ny hamoaka ilay fiara hitsoaka ilay tovolahy no tonga ny polisy nisambotra azy. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa nikasa hamono ireo olona tao amin’ny trano fisotroana izy tamin’io fotoana io. Milaza ho manana olona ambony mpiaro azy koa izy ka nahatonga izao hetraketraka izao. Nitohy teo anoloan’ny trano fisakafoana iray ao Ampasimazava indray ny hetraketraka, ny zoma 1 marsa teo.
Tsiahivina fa ny talata alina teo, mpitandro filaminana iray koa niady tamin’olon-tsotra. Rehefa tsy nahatohitra ilay nifamaly taminy dia niverina nody naka basy. Niverina tao amin’ilay trano fisotroana indray nitady ilay nifamaly taminy saingy tsy hitany tao intsony ilay tovolahy. Nanapoaka basy izy ka nitsoaka ny mpanjifa tao. Tsy nifarana teo izany fa niitatra tany amina karaoké iray ao Morafeno indray. Rava koa ny lanonana ka tonga ny polisy nisambotra azy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy.

Sajo

Partager sur: