Tahaka ny nahazatra tao anatin’ny taona maro, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy i Madagasikara. Mbola manan-danja eny amin’ny fiarahamonina malagasy sy any amina sehatra maro samihafa anefa ilay nambaran’ny vahiny manao hoe : « tsy manaja vehivavy ny fiarahamonina malagasy ». Manao randra-mitarika hatramin’izao io ka namboly toe-tsaina « hafahafa » eo amin’ny vehivavy sasany. « Tsy manaiky resin’ny lehilahy », hono. « Tsy ambanin’ny lehilahy », hono. « Mitovy zo amin’ny lehilahy », hono. « Mahavita izay vitan’ny lehilahy », hono…
Tsy azo hadinoina anefa, fa tetika nentin’ny vahiny hanokafana hantsana manelanelana ny lehilahy sy ny vehivavy avokoa ireo. Ny fahatsapana sy fahitana fa mety hahavita zavatra manohintohina ny fanjanahana (saina, vatana, fanahy) ataon-dry zareo ny firaisam-po sy saina ary fiombonam-panahy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ka aleo potehina.
Nanaja fatratra ny lamina voajanahary ny Malagasy. Noho izany, nanaja vehivavy. Fantany fa io no loharanon’ny taranaka, kitapo nifonosana. Mamelona ny sombin’ny ainy. Mitaiza sy manabe mba hananana ankohonana vanona, sns. Ny lehibe indrindra amin’ireo, tsy vitan’ny lehilahy… Tsy nisy ny firenena raha tsy nisy ny vehivavy!
Raha tsy mitandrina ny Malagasy, ho lasa mpifanandrina amin’ny lehilahy ny vehivavy, atsy ho atsy. Hibitaka ireo vahiny… !
HaRy Razafindrakoto