Praiminisitra Ntsay Christian : “Mahamenatra ny mahita zandary manao kolikoly”

“Mahamenatra ny mahita zandary manao kolikoly eny amin’ny arabe rehetra eny. Ahoana moa no hieritreretana hoe misy tomponandraikitra mifehy azy ireny zandary ireny? Ny dikan’izany: na tsy hoe tsy voabaikon’ny tomponandraikitra izy ireny na miray tsikombakomba ao anatiny ao. Izay no mahatonga an’ireny tsy mety mitsahatra.” Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, afakomaly, tamin’ny lanona-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaoman­din’ny Zandarimariam-pirenena. Tsy am-bava fotsiny ny hiatrehana ny ady amin’ny kolikoly, fa aseho amin’ny andavanandro izay fibaikoana araka ny laharana misy ny tena izay.
Tsy kilalao ny andraikitra. Tsy andranandrana ny fanomezan-toky ny olona iray. Rehefa nomena dia tokony hisy fahamendrehana mipetraka ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Firene­na no tantanina tsy vitan’ny olona iray, roa, telo izany. Ny tomponandraikitra isan-karazany amin’ny anjara toerana sahaza azy dia tokony hijoro hatrany ary handray ny andraikiny antsakany sy andavany. ”Tsy amin’ny fotoana milamindamina fotsiny, fa indrindra amin’ny fotoana tokony hahatsapana fa manana olona atokisana tokoa ny firenena ary tena mandray andraikitra ho amin’ ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Be dia be ny nomena andraikitra, fa vitsy no sahy mijoro ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tokony harahin’ny rehetra ny fitsipi-pifehezana. Raha tsy misy izay, sarotra ny fibaikoana.”, hoy ny praiminisitra.

R. Nd.

Partager sur: