SOMBIM-BAOVAO

Mialoha ny hiakaran’ny Ankoay kianja any amin’ ny « Lalao Afrikanina », tanterahina any Ghana, mbola niatrika lalao tsapa teto an-tanindrazana ry zareo,
omaly. Nikatroka tamin’ny ekipam-pirenena latsaky ny 23 taona. Ao anaty vondrona «A» no misy ny Ankoay, vehivavy, miaraka amin’i Egypte, Namibie ary i Algerie. Ny lehilahy kosa miray sokajy amin’i Egypte,Maroc ary i Botwana.

Voalazan’ny solotena malagasy any Ghana, fa ratsy ny fikarakaran-dry zareo ny “Lalao Afrikanina”. Miovaova hatrany ny fandaharan-dalao fa tsy mipetraka araka ny tokony ho izy. Ankoatra izay, mbola vao karakaraina ihany koa ny “village des jeux”. Na izany aza, nahavita fotodrafitrasa maro ry zareo, ho an’ity fifaninanana ity.

Hotanterahina any Ambatondrazaka, ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny “Cross country”, taranja atletisma. Hifampitana any avokoa ireo tompondakan’ny ligim-paritra isanisany. Tsia­hivina fa andrasan’ny rehetra, mandritra io fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara io, ny hazakazaka eo amin’ny “senior”, lehilahy.

Nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady lasa teo, teny Isoraka, fa afaka handraisana ireo lalao ara-pirahalahiana hataon’ny Barea mandritra ny datin’ny FIFA, ny 18 marsa ho avy izao, ny bozaka ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tsiahivina fa firenena telo no hanaovana izany dia i Burundi, Rwanda ary i Botwana.

Partager sur: