Mitohy hatrany ny hetsika fambolen-kazo manerana ny Nosy. Ny alahady teo, mihoatra ny 500 kg ny masombolina honko voavoly tamina velarantany 50 ha natao, tamin’ny alalan’ny drône, tao Antsogno-Kivalo, kaominina Marofandilia, distrika Morondava. Hahafahana mamboly honko anatin’ny fotoana fohy sy mampitombo ny velarantany hambolena ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Manamafy ny famerenana amin’ny laoniny ny ala honko any amin’ireo faritra saro-dalana ihany koa ity teknolojia vaovao ity. Ankoatra izay, nambolena honko 450 000 fototra ihany koa tsy lavitra an’i Kivalo, amina velarantany 50 ha. Miantoka ny faharetan’ny hazandrano sy mampiroborobo ny jono ary ny fandrosoana eo an-toerana ireto zavamaniry ireto. Manampy amin’ny fahalebiazan’ny trondro, ny drakaka ary makamba ihany koa izy ary anisan’ireo foto-tsakafon’ireo hazandrano. Noho izany, manolo-tena amin’ny fanaraha-maso sy fikojakojana ny toerana ny mponina ao Kivalo. Hanohana azy amin’ny fanatanterahana izany ny WWF sy ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Menabe, hahombiazan’ny hetsika. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny ala honko 4 200ha ao Manambolo Tsiribihina, ny taona 2030.
Henintsoa Hani