« Union des photographes professionnels de Madagascar » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana ny UPPM. Vonona ny fikambanana hifanome tanana amin’ny minisitera, amin’ny fizarana traikefa amin’ny fakana sary sy ny tontolon’ny saripika ankapobeny. Efa taranja iray azo trandrahina amin’ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa manodidina ny zavakanto ny saripika, izay sady tetikasa an-dalam-panatanterahana rahateo ao amin’ny minisitera. Maro rahateo ireo tanora maniry sy mirona amin’ny fakana sary no te ho matihanina.
Naneho ny hetahetany amin’ny tokony hametrahana rafitra matanjaka ara-panjakana, hifehy ny fakana sary eto Madagasikara, ny UPPM. Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny “Iray volan’ny sary” sy ny fampirantiana samihafa, ho fampiroboroboana hatrany ity sehatra ity.
Zo ny Aina