“Endrika fitiavana”: hizara ny rakikirany vaovao i Poopy

Ho avy ihany! Nanao seho maromaro tany andafy i Poopy sy ny tariny, tamin’iny faran’ny taona iny. Nandritra izany no nampanantenainy ho an’ireo Malagasy sy ireo mpankafy rehetra any amin’ny faritra handehanan’izy ireo, fa io no voan-dalana entin’ny tarika. Nampanantena kosa anefa ity mpanakanto ity fa hahazo ny anjarany tsy ho ela ny mpankafy eto an-tanindrazana.
Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy: hivoaka ny 31 marsa ny vokatra. Mandritra ilay fampisehoana goavana, “Mifampitantana”, izay iarahan’i Bodo sy i Poopy manatontosa etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina io. Hivoaka amin’ny endrika kapila fihaino sy DVD izany. Ahitana rakitsary 5 ny DVD: “Nankaiza, “Ho an’i Dada”, “Tsy ahita” ary “Tsy mahasaraka”. Hira 14, izay saika vaovao ny ankamaroany kosa no mandrafitra ny rakikira fihaino. Misy bokikely mirakitra tononkira sy sary ihany koa miaraka amin’ireo.
“Endrika Fitiavana” no nampisaloran’i Poopy ity rakikira vaovao ity. Mamamafy ny lohateny ireo lohahevitra anatin’ireo hira, toy ny “Avelao aho”, “Love yourself”, “Za­naka”, sns. Ity ilay rakikira tsangambaton’ny faha-40 ta­ona niakaran’i Poopy an-tsehatra, izay manamafy ihany koa fa mbola manana ny toerany eo amin’ny tsenan’ny mozika malagasy ity mpanakanto ity.
Raha hiverenana kely ilay fampisehoana be mpiandry, mandritra io “Mifampitanana” io vao ahita an-tsehatra an’i Poopy ireo mpankafy azy eto Antananarivo. Rariny, araka izany, raha nosafidiana amin’io no hamoahana ny vokatra. Efa herinandro vitsivitsy kosa no tao anatin’ny fanomanana i Bodo sy i Poopy ary ny Live Prod, mpikarakara. Misy amin’ireo sokajin-tapakila, toa ny “Gold” sy ny “Vip rouge” aza no efa lany.

Zo ny Aina

Partager sur: