Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, tanjona ny hampandrosoana ny toekarena entina hanatsarana ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra. Nihaona tamin’ny masoivohon’i Belzika, Peter Maddens ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, omaly tetsy Ambohidahy. Niompana tamin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Nandritra izany, nilaza ny minisitra fa laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria. Mifanindry an-dalana amin’izany ny tetikasa “One district one factory” (ODOF) izay hisarihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpanosika tetikasa matihanina (développeurs). Ankehitriny, tafapetraka ireo ozina hanodim-bokatra isam-paritra. Noho izany, hiara-hiasa amin’ ny sehatra tsy miankina ny fanjakana hanatsarana ny fandraharahana eto Madagasikara taorian’ny fankatoavana ny lalàna momba ny fampiasam-bola.
Mpampiasa vola
Miodina avokoa ny ankamaroan’ireo taninketsa indostrialy any amin’ireo faritra samihafa raha toa ka an-dalam-pametrahana ireo 75 hafa ny fanjakana. “Miatomboka eny ifotony ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fametrahana ny indostria”, hoy
ny minisitra. Ankoatra izay, manasa ireo mpampiasa vola monina eto Madagasikara izy handresy lahatra ireo namany hafa hiasa eto an-toerana. Fantatra fa orinasa belza iray no misehatra amin’ny famokarana spiruline any atsimon’ny Nosy amina velaran-tany 50 ha izay misy dobo 30 ha. Orinasa belza maro ihany koa no nandray anjara tamin’ny fananganana ireo toby dimy mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro eto amin’ ny firenena.
Henintsoa Hani