Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly i Dawilly, ilay tovolahy voampanga ho nanolana ankizivavy enin-taona, tao Imerintsiatosika. Izy no mety hisantatra ny famosirana.
Nitondra fanazavana ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona fa nampiakarina teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Dawilly, ilay tovolahy nanolana ankizivavikely 6 taona tao Imerintsiatosika. Taorian’ny famotorana azy, nandefa azy am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny eo anivon’ny fampanoavana. Nanamafy ity tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny fitsarana ity fa loham-piampangana roa no anenjehana ity mpanolana sy mpanao herisetra tamina ankizikely ity : fikasahana hamono olona izay mety hahavoasazy hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny, fanolanana zaza tsy ampy taona latsaky ny 10 taona mety hahazoany sazy asa an-tezivozona mandra-pahafaty sy famosirana. Raha ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo, araka ny tatitra nampitain’ity mpampanoa lalàna ity hatrany, potika tanteraka ny taovan’ilay niharam-boina. Mangana ny lohany satria nasiana totohondry, nahitana kaikitra koa ny vavany sady norangotina ny tarehiny. Tsy vitan’izay fa mbola nokendaina ihany koa ilay ankizivavikely. Mody nirahiny nividy sigara ilay niharam-boina ka nentiny niditra tao amina tranon-drazana iray. Tao no nanamparany ny filan-dratsiny. Niaiky ny heloka vitany i Dawilly. Izy, araka izany, no hisantatra ny famosirana araka ny lalàna famaizana ho an’ireo tratra manolana.
Jean Claude