Miaka-tsehatra eny amin’ny kianjan’ny Kanto, Mahamasina ihany koa ny mpanao hiragasy. Hangotraka ny seho eo amin-dry Sahondrafinina Zanany sy Raveloson Jean Ba.
Lasa ny mamba misosoka ny voay ! Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Hiragasy goavambe », amin’ity taona 2024 ity ny fihaonan’ny tarika roa tonta. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ny alahady 10 marsa izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny tarika Sahondrafinina Zanany avy etsy Fenoarivo sy Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo.
Tarika Sahondrafinina Zanany, andrarezina eo amin’ny vakodrazana sy renihira. Mbola vitsy ny tarika mpanao hiragasy no afaka mifanandrina aminy raha eo amin’ireo (vakodrazana sy renihira). Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo indray, ny kabary sy ny renihira no ahafantarana azy. Tsy manam-paharoa ity tarika ity raha ireo no tomorina akaiky. Sarotra ny mifandona aminy noho io fananany mpikabary sy renihira tsara fototra io, raha ny fanazavan’ny mpitia hiragasy.
… « Ny samy ngeza no hifandona », hoy i Dadafara Lt Production, raha nandravona ity adin-kiragasy goavana be ity. Samy hiaro ny voninahitra eo am-pelatanany rahateo ny tarika roa tonta amin’io fotoana io. Nanao fanentanana manokana ho an’ny tanora, ny mpitia hiragasy, satria, mahalana vao ahitana adin-kiragasy goavana tahaka izao.
Tsiahivina fa ankoatra ny maha fialamboly ny hiragasy, fitaizana sy fanabeazana feno izy !
HaRy Razafindrakoto