Kaominina manodidina an’Antananarivo: misitraka fiofanana ny Tomponandraikitra

Misitraka fiofanana, na­nom­boka ny 5 hatramin’ny 8 marsa 2024, eny amin’ny Fond de Développement Local (FDL) Anosy, ny tomponandraikitry ny kaominina manodidina an’ Antananarivo. Kaominina sivy, avy amin’ny distrikan’Atsi­mon­drano sy Avaradrano ary Am­bohidratrimo no miatrika izany. Ny Ivontoerana nasionaly momba ny fitsinjaram-pahe­fana (INDDL) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsin­­jaram-pahefana sy ny fanaja­rina ny tany no mikarakara izao fampiofanana izao. Tan­jon’ny mpikarakara ny fanomezana tantsoroka ny kao­minina amin’ny fametrahana paikady eo amin’ny lafiny fitantanana ny isan’ny mpiasa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Tomponandraikitry ny kaominina Alasora, Soavina, An­karaobato, Soalandy, Ando­haranofotsy, Ambatolampy Tsimahafotsy, Talatamaty, Sabotsy Namehana ary Am­bo­himangakely no misitraka izany fiofanana izany. Tsia­hivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gouvernance Urbaine du Grand Antananarivo” (GUGA), vatsian’ny AFD vola, izao hetsika izao. Vokatra andrasana amin’ny kaominina mpandray anjara aorian’ny fiofanana ny hahafehezan’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina ny fametrahana ny fahaizana mitantana ny isa, ny asa, ny fahaiza-manao eo anivon’ny kaominina, ary ny paikady entina manara-maso na ny “Gestion Prévisionnelle des Emplois, des Effectifs et des Compétences” (GPEEC).

Lin

Partager sur: