Lalàna mifehy ny tanim-panjakana : natomboka ny fakan-kevitra manerana ny Nosy

Nanomboka omaly ny varavarana misokatra hakan-kevitra ho an’ny daholobe etsy amin’ny domaine Anosy. Izany no atao mba hahafahana manova ny lalàna laharana 2008-014, notakin’ny filankevitry ny minisitra.

“Mbola maro ny olana ahafahan’ny hafa mangalatra tany, matoa mbola misy ireo menomenona mahakasika izany ka antony hanovana ny lalàna”, hoy Ramasimbamalaza Olivier José Michel, directeur des Services Topographiques. Nilaza izy fa tsy ny hevitr’olon-tokana, na ny fitondram-panjakana no atao ao anatin’ny lalàna fa ny hevitry ny vahoaka malagasy rehetra no tadia­vina. Tanjona ny hanamorana ny fahazoahan’ny olona ny tany sy ho fiarovana ny tanim-panjakana. Maro ny hevitra naroson’ny olona nandritra ny fanokafana omaly. Toy ny ha­metrahana ny fanisana ny tany rehetra misy, hahamora ny fahafantarana ny satan’ilay tany, mba tsy hisy ny fifanitsahana andraikitra na sata ao anatin’ny tany iray.
“Hodinihana sy trandra­hina ao amin’ny komitin’ny fanoratana eo anivon’ny mi­nisteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny hevitra rehetra azo. Averina amin’ny laoniny izany amin’ny herinandron’ny fahatelo volana marsa. Entina eo anivon’ny filankevitry ny ministra kosa izany rehetra izany avy eo ha­hafahana manova ny lalàna. Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana avrily izao kosa ny fahavitana izany asa rehetra izany. Ahitana ny he­tsika avokoa ireo sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany 64 eto amin’ny Nosy. 30 ireo sampandraharaha manatanteraka ny varavarana misokatra manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa 100 andro ny fanatanterahan’ny ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izany asa izany.

Mino

Partager sur: