Mahavoky – Mahajanga : lehilahy iray tratra nitondra basy PA

Saron’ny polisin’ny UIR miasa ao Mahajanga tao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo afakomaly ny lehilahy iray niaraka tamin’ny fitao­vam-piadiana mahery vaika. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy fa misy olona hafahafa fihetsika eo akaikin’ny trano fisotroana iray eny Mahavoky Atsimo. Niroso tamin’ny fitsirihana ny toerana misy ity lehilahy ity ny polisy ka voamarina izany. Hita teny aminy nandritra ny fisavana azy ny basy PATT iray miaraka amin’ny tranom-bala nisy bala enina. Tsy nahitana taratasy mazava momba ny fahazo­any mitondra io fitaovam-piadiana io teny aminy. Nentin’ny polisy nihazo ny kaomisaria izy hanaovana famotorana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ity lehi­lahy ity.

J.C

Partager sur: