Mikarakara fifaninanana manao sary ny Meteo Madagasikara izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro. Lohahevitra ny hoe « Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro » ary natokana ho an’ny mpianatra 7 hatramin’ny 17 taona. Manao sary mifandraika amin’ny lohahevitra maneho ireo asa sy hetsika fandraisana andraikitra manoloana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny mpandray anjara ka atao anatin’ny taratasy A4 (21 x 29,7 cm) ary fonosina anaty valopy lehibe.
Soratana anaty valopy kely mihidy ny anarana, taona, adiresy, laharam-pifandraisana (an’ny ray aman-dreny raha tsy misy) ary atambatra amin’ny valopy lehibe misy ny sary. Aterina mivantana ety amin’ny Meteo Ampandrianomby izany, varavarana faha-14 na alefa paositra mialoha ny 15 marsa ho avy izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa tsy manan-kery ireo sary ahitana fanampiana avy amin’ny rindrambaiko informatika.
Mandritra ny hetsika fankalazana ny 23 marsa eny amin’ ny Parvis Lapan’ny tanànan’Antananarivo no hahafantarana ny valin’ny lalao sy ny fizarana loka.
Vonjy