Hotontosaina ny sabotsy 9 sy ny alahady 10 marsa ho avy izao, ny “4 Heures Honda” eo amin’ny fifaninanana moto. Io no nambaran’ny federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) sy ny Madauto, tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo, omaly. Hiavaka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka dia eny Ampanatoavana Ambohidratrimo. Miisa 170 mianadahy mianaka ireo mpanamory, hiady lohany amin’ity.
Ankoatra ireo Malagasy mpifaninana, hisy vahiny handray anjara toa an’ilay renioney, i Pascal Dorseuil, nandrombaka ny fandresena ny taona 2018. Tsy mbola fantatra izay hiaraka aminy amin’ ity fifaninana ity. Andrasan’ny rehetra koa ny fiarahan’i Lucas Robert sy Mathias Plantive, tompondakan’i Madagasikara 2023. Hitondra ny moto KTM 450 SX izy mirahalahy. Mbola miandrandra an-dRazafimahefa Tsirava izay im-pito nahazo ny “4 Heures Honda” koa ny mpankafy. Zava-baovao amin’ity ny fisian’ny sokajy faritra handraisan’ireo mpanamory ivelan’ Antananarivo anjara. Marihina fa misy 13 ny sokajy hifaninanana. Mirefy 8 hatramin’ny 10 km ny halavan’ny lalana hodiavin’ireo mpifaninana mandritra ny roa andro. Hanomboka ny fifaninanana ny “prologue” ho an’ny andron’ny sabotsy ary ny alahady ny tena fihaonana ofisialy.
Torcelin