Rasoamaromaka Hery : “Tsy misy afa-misora-tena ho kandidà aloha izao”

Efa mandeha ny fisehosehoana sy karazana tsindry mialoha amin’ny haha kandidà ho an’ireo mpiara-dia sasany amin’ny fitondrana. Mazava anefa aloha hatreto ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Tsy misy na iray aza aloha afaka mitonona fa kandidà avy amin’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoe­lina (Irmar). Anaty fifantenana izao isika”, hoy izy, omaly. Nambarany fa andrasana ny tatitra avy eny ifotony ary iarahana midinika ny momba ireo kandidà maromaro avy any, afaka hitondra ny lokon’ny an­toko. Nahitsy anefa ny tenany nilaza fa tsy voatery ho ireo teo hatrany ny harotsaka amin’ ny fifidianana. Henoina ny feon’ny eny ifotony, miainga amin’ireo olobe na tangalamena na koa ny fiaraha-monina, araka ny nambarany hatrany. “Tsy maintsy mba olona ma­nana ny maha izy azy izany ary tsy mivadivadika”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nambarany fa misokatra izy ireo amin’ny maha Irmar. Tsy voatery ho TGV100% ny ho kandidà fa iarahana amin’ireo vovonana na antoko mpanohana ny filoha Rajoelina Andry, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny koa anefa fa mianton-tena amin’ilay anto-bola 20 tapi­trisa Ar ho amin’ny filatsahan-kofidiana ny kandidà. Ha­nampy amin’ny ho enti-manana amin’ny fampielezan-kevitra kosa ny eo anivon’ny foiben’ny antoko, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: