RMT 2024 : nahazo tombony ny ankizy

Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Kolomahaolo, Loharanombato, ny andro fahefatra amin’ny fankalazana ny « Rallye moi(s) Théâtre » (RMT), andiany fahafito. Hipoka tanteraka ity ivontoerana ity. Nameno ny toerana ireo mpianatra avy amin’ny sekoly maro samihafa manodidina ny Kolomahaolo. Niara-nianoka angano isan-karazany sy fampisehoana ary tantara an-tsehatra manana ny maha izy azy ireo mpijery. Marihina fa mbola hitohy ny 8 marsa 2024 ny hetsika, miaraka amin’ny fanasongadinana ny lohahevitra hoe “ Les femmes et les enfants d’abord”.
Nahazo tombony manokana ny ankizy nandritra ny andro fahefatry ny RMT 2024, omaly. Anisan’ny tena nankafizin’ny maro ny angano “Iraka”, “Ravinala” ary “Ikemba” notantarain’ireo mpitantara matihanina. Teo ihany koa ny tantara an-tsehatra “L’enfant et le tambour de nuit”, nosoratan’i Jean Luc Raharimanana, nolalaovin’i Fela Razafiarison sy Tiana Rakotondrasoa.
Araka ny nambaran’ireo mpanatrika, mampiavaka ny seho sahala amin’itony ny fahaizan’ny mpiantsehatra maka ny fon’ny mpijery ka mahatonga azy ireny hahazo fahafinaretana sy ho afa-po.

Lin

Partager sur: