Tompony mangataka atiny

 

Mandalo andro ratsy i Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny ora manerana ny faritra maro. Anisan’izany ny
eto an-drenivohitra izay niharo havandra sy tafio-drivotra tamin’ny sakeli-tanàna sasany. Mamaivay kanefa manjombonjombona hafahafa ilay toetry ny andro. Tsy hita izay andraisana azy fa ilay volonandro mitondra aretina sy fahasorenana mihitsy.
Mifanindran-dalana amin’izany, tsy hita be ihany koa ny handraisana ilay fiainan-dRamalagasy. Toa zary vahiny
an-tanàna ! Very tanteraka ny hasina maha izy azy. Maha­fanina ny zava-misy. Mampiraviravy tanana ny sarambabem-bahoaka, indrindra ny olona marefo. Ny tena zava-doza, nahomby ilay fikan’ny zarazarao hanjakana, ataon’ny sasany. Tena tsy misy intsony ilay tsikanlakalam-pihava­nana.
Raha mbola miady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ny sasany, manomboka ho tsy manan-kialofana koa ny hafa. Manginy fotsiny ny fiatrehana tsy manam-piafarany ny aretina. Soa aloha, nisy ireny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny tamin’ny fiandohan’ny herinandro hoe hanadio an’Antananarivo, anatin’ny folo andro !
Asa, hanao ahoana ny fanatanterahana izany ? Amin’ny fomba ahoana ny fahagagana ataon’ny filohan’ny delegasiona manokana sy ny mpiara-miasa aminy ? Niaraha-nahita ny ezaka goavana nataon’ny ben’ny Tanàna teo aloha nandritra ny dimy taona fa mbola ireny ny zava-nisy. Tsara ny manam-piniavana, mora no manome toky ka andrasana ny bainga ho voavadika.
Tsy mila olona mitaredretra Antananarivo, mitaky olon’ ny asa sy vokatra. Vao nandray ny fahefana ny mpitondra ! Mbola tsy misy mari-drefy rahateo ahafahana mandrefy azy amin’ny ho zava-bitany. Miandry ny fahatongavana hain­gana any amin’ny tanjona iriana ny vahoaka fa tsy tompony hangataka atiny lava amin’ny fampandrosoana ny toeram-ponenany.

r.r

Partager sur: