vaovao tambatra

Hotanterahina ny 20-23 jona eny amin’ny CCI Ivato ny International handicraft fair Madagascar na ny varotra fampirantiana iraisam-pirenena ho an’ny asa-tanàna. Hetsika entina hampihaonana ireo mpanao
asa tanana, mpamorona sy ireo mpividy-mpivarotra ny vokatra eo amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena

Nisokatra ny talata teo ny tsena voara-maso ho an’ny kakao ao amin’ny faritra DIANA rehefa niato nandritra ny taona maro. Napetraka ny fepetra ho fiarovana ny kalitaon’ny vokatra sy ho tombontsoan’ny mpamboly, ny mpividy ara-dalàna ary ireo kaominina mpamokatra. Hiodina tsy ho ela ihany koa ny milina
hitoto ireo kakao ho lasa vovony.

Maniry hiara-kiasa ara-pambolena amin-
dzareo breziliana i Madagasikara. Anisan’izany ny hakana ny traikefan’ity firenena ity amin’ny lafiny fita­rihan-drano sy ny fanodinana ny vokatra toy ny katsaka, ny mangahazo, sns. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fam­bolena (Minae), Ratoharijaona Suzelin, ny masoivohon’i Brezila, Ademar Seabra D.C.Jr, omaly.

Nahazo fitaovana ilaina amin’ny fambolen-kazo ireo ben’ny Tanàna any amin’ny kaominina ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana. Tohana avy amin’ny tetikasa “Tontolo maharitra any amin’ny tapany atsinanan’i Madagasikara”, any amin’ny tandavanala Ankeniheny – Zahamena (CAZ) sy ny Cofav.

Partager sur: