WMG sy InnerWheel : vehivavy sahirana 47 nahazo mari-pankasitrahana

Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo ireo vehivavy sahirana. Hoesorina ao anatin’ny fahasaharinana sy hanomezana asa ho azy ireo no tena tanjon’ny fiofanana.

Navoaka, omaly, tetsy Andraharo ireo vehi­vavy 47, andiany faha-12 sy 13. Niofana sy nianatra momba ny fianarana zaitra sy fanaovana “serviette hygiénique” azo sasana izy ireo. Nisy ny fiaraha-miasa teo
amin’ny WMG sy ny Inne­rWheel club Antananarivo ka nahafahana nanao izany. Nandritra ny telo volana ny fiofanana. “Nosafidiana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana mikarakara ireo vehivavy sahirana izy ireo”, hoy ny filohan’ny Inner­Wheel club Antananarivo, Andriampeno Finaritra. Toy ny Association Fitia, Asama ary ny Les enfants du soleil. Tan­jon’ny fiofanana ny hahatonga ny vehivavy hahaleo tena, hi­hary ary hanana asa ho an’ny tenany. Ankoatra izay, raha mbola tsy mahita asa ireo ve­hi­vavy nivaoka ireo dia afaka mijanona ao an-toerana mamboatra sy mamokatra ny “serviette hygiénique” azo sasana. Omena asa ihany koa izy ireo ary karamaina ny manjaitra izany.

Fizarana “serviette hygiénique”
Misy ihany koa ny fizarana ny “serviette hygiénique” azo sasana, ho an’ny kilasy 5ème, 4ème ary 3ème, ataon’ny WMG. “Esorina ny henatry ny vehivavy rehefa tonga fadimbolana. Mila ampianarina ny zatovo sy ny vehivavy fa tsy tokony hahamenatra akory izany”, hoy ny filohan’ny WMG. Natao ihany koa mba ho fanalana ny fahasahiranana ara-bola ka zaraina maimaim­poana.
Afaka manatona ny WMG na InnerWheel ny vehivavy te hisitraka ny fiofanana sy te hiala amin’ny fahasahiranana. Maimaimpoana avokoa ny fiofanana rehetra. Manom­boka ny volana marsa hatramin’ny jona izao kosa ny andiam-piofanana manaraka, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: