Dian’antsy indroa no hita teo amin’ny tendan’ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanendahan-jiolahy teny 67 ha Avaratra, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 minitra.
Tsy milamina intsony! Izay no azo ilazana ny zava-misy iainan’ny mponina isan’andro. Naratra mafy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanafihan-jiolahy nitondra zava-maranitra teny 67 ha Avaratra, omaly tamin’ny 5 ora sy 30 mn maraina. Handeha hiasa vao maraina izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy sy sabatra. handray taxi-be izy tamin’io fotoana io no nandrasan’ireo olon-dratsy. Nalatsak’ireo jiolahy tao afovoany ka ny iray mandrahona sady manambana antsy raha nisintona ny kitapo nisy ordinatera teny an-damosiny kosa ny roa lahy. Tsy nanaiky lembenana anefa izy fa nanohitra ireto mpanendaka ireto saingy tsy naharesy tosika. Rehefa hitan’ireo jiolahy fa nanohitra izy, tsy nihambahamba ny iray nanindrona ny tendany. Nahitana dian’antsy roa teo amin’ny tendany. Somary mbola maizimaizina ny andro ka izy nidaraboka nianjera tamin’ny arabe no nahataitra ireo mpandeha. Olona nahita azy naratra no nifanome tanana tamin’ny fandefasana azy teny amin’ny hopitaly sy niantso ny fianakaviana tany an-tranony. Ny findainy tany am-paosiny no nahafahan’ny olona niantso ny fianakaviany. Lasa nitsoaka kosa ireo olon-dratsy raha vantany vao nahazo ny kitapo teny aminy.
Anisan’ny faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana iny 67 ha sy ny manodidina iny. Ankoatra ireo mpiasa, mpianatra mandeha vao maraina sy tratra hariva, lasibatra ihany koa ireo mpandeha fiara tratran’ny fitohanana ateraky ny fifamoivoizana.
J.C