Asa efa nataony hatrizay… Fa mbola manamafy ny fanohanany ny zavakanto malagasy ny ivokolo malagasy-alemà, CGM/GZ etsy Analakely. Anisan’izany ny fanomezana sehatra ireo tetikasa maro manodidina ny kanto.
Tsy ny fampianarana ny teny alemà ihany no iandraiketan’ny CGM/GZ etsy Analakely. Efa hatramin’ izay nisiany no nanana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ity ivokolo malagasy-alemà ity. Anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny CGM isan-taona ny fanomezana sehatra ny karazan-kanto na lohahevitra manodidina ny kanto iray, mandritra ny volana iray. Hiavaka kosa ny fiantsoana tetikasa ara-javakanto ho an’io volana mey io. Homena sehatra malalaka avokoa ireo karazan-kanto maro: saripika, haihaingo, haisary, sarimihetsika, poezia, teatra, mozika, hairaha ara-endrika amam-bika, hairaha niomerika, sns.
Antsoina mba hanatitra ny tetikasany, araka izany, izay mpamorona, mpanakanto sy mpisehatra eo amon’ny tontolon’ny kolontsaina ka liana amin’izany. Izay rehetra manan-kevitra miavaka amina fampisehoana, fampirantiana, atrikasa ara-javakanto na rehefa tetikasa manodidina ny kanto, dia entanina avokoa hifaninana. Tanjon’ny CGM amin’izany ny hanetsehana ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, ka handrisihana ireo tetikasa vaovao, hanomezana sehatra ireo talenta vao ihany koa. Ho sehatra ifanakalozan’ireo mpahay kanto isan-tsokajy ny CGM, izay hanome tosika ho azy ireo ihany koa.
Hasaina mba hijery ny fepetra takina amin’ity “Scène libre” ity ireo liana amin’izany. Manana hatramin’ny alarobia 20 marsa izy ireo, hanaterana ny antontan-taratasy. Seho tsy mihoatra ny 45 minitra no andrasana amin’ny mpandray anjara. Izay tetikasa maharesy lahatra kosa dia hahazo fanampiana eo amin’ny 500 000 Ar hatramin’ny 1 tapitrisa Ar eo, hanatanterahana izany. Hatao ny sabotsy 18 mey ny seho na fampirantiana, sns, izay ho lany eo.
Zo ny Aina