Sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe ny distrikan’Antanimora Atsimo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika, toy ny fahalaviran-toerana sy fitokana-monina ny fanadihadian’ny minisiteran’ny Atitany amin’izany. Eo koa ny fepetra momba ny fitoviana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina.
Maromaro ireo fanendrena prefet sy sefo distrika tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Anisan’ny nahazo Prefet vaovao ny ao Toamasina sy ny any Fianarantsoa. Voatendry koa ny sefo distrika ho an’i Marovoay, Ambatomainty, Morafenobe, Morombe, Sakaraha…
“Mila miady isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, manoloana ny fahatapahan’ny jiro sy rano. “Zo fototra ireo ka tokony ho azon’ny isan-tokantrano. Antony mampijoro anay Kolektifa an’ny Malagasy izany. Tsy azo jerem-potsiny ny firenentsika fa ataon’ny sasany kilalao”, hoy izy.
Hanao diabe Firaisankina ireo vehivavy Tim Analamanga, anio, ho fanamarihana ny 8 marsa. Hiainga etsy amin’ny Pharmacie Volahanta Anosibe izany ary hifarana eny Anosizato. Mialoha izany, hanolotra fanomezana ho an’ireo traboina etsy Madera Namontana ireto vehivavy mpanao politika ireto.