Mitohy any amin’ny oniversiten’Analanjirofo, Fenoarivo Atsinanana, indray ny fanofanana mpampianatra ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’izy ireo, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Efa nisy koa ny fanofanana natao tany amin’ny oniversiten’Itasy.
Tanterahina ao amin’ny kianja manara-penitra Ambohitahara, Ambohidratrimo, ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy ho an’ny faritra Analamanga. Misy ny fifaninanana isan-karazany, toy ny dihy sy ny kabary andraisan’ireo fikambanam-behivavy anjara. Hisitraka fanomezana ireo fikambanana mendrika amin’ny fifaninanana.
Hitohy hatrany ny oram-baratra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy noho ny fisian’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nahazo fampitandremana, miloko mena, amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana, omaly ary hitohy anio, ny faritra Atsimo Atsinanana, ny distrikan’i Taolagnaro, Toliara I-II, Morombe, Manja ary Morondava.
Nampiavaka ny hetsika omaly, tao Toamasina, nandritra ny Caravane médicale «Sarobidy ny aiko” ny fidinan’ ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka eny ifotony, nandray an-tanana ireo mpisitraka tonga maro. Vao maraina, betsaka ireo vahoaka nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana ara-kalitao sy maimaimpoana.