Tapitra ny lalan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja karate katà, nandritra ny andiany faha-13 ny “Lalao Afrikanina”, atao any Ghana. Tsy nahazo ny medaly alimo i Gaëlle rehefa resy, nanoloana ilay Egiptiana, omaly.
Dingana iray tsy nahatongavana teo amin’ny “podium”, tsy nahafa-bela an-dRakotonindrina Gaëlle Linda, niatrika ny Paruren, katà, taranja karate, omaly. Isa 37 no azony, teo am-piadivana ny medaly alimo nanoloana ilay Egiptiana, i Isamail, izay nahazo isa 40. Nifarana hatreo ny lalan’i Gaëlle. Raha hiverenana ireo dingana nodiaviny, naharesy an’i Esther Thérèsa, avy any Burkina Faso, i Gaëlle, teo amin’ny fihodinana voalohany. Resy kosa izy teo amin’ny fihodinana faharoa, nanoloana ilay teratany Alzeriana, i Narimene. Niatrika ny Repêchage i Gaëlle, nanoloana an’i Natacha avy any Kameronina, taorian’izay, ka nahazo fandresena. Ny katà no tapitra hatreo ho an’ny Malagasy fa mbola hiatrika ny Kumite, sokajy latsaky ny 50kg, Rakotobe Fenosoa, ho amin’ny anio, raha tsy misy ny fiovana. Ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra kosa, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana, ny solontenan’ny Malagasy, sokajy lehilahy, isan-tarika. Faharesena nefa fandresena kosa no tsapa raha ny vokatra azo sy ny traikefa noraisina taorian’ ireo lalao rehetra natao, araka ny fanazavana nentin’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly, Rakotoarisoa Tahiry, taorian’ny lalao, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra ireo nanohana sy nanome teny fampaherezana ireo mpilalao rehetra. “Tsy tapitra ny ping ho an’ ireo ankizy ireo fa hitohy ny kotrana ary hanome ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fifaninanana rehetra izay hatrehana manaraka”, hoy ny nohamafisin’ny mpanazatra. Araka ny fandaharan-dalao, hiditra amin’ny fifaninanana ho an’olon-droa, lehilahy sy vehivavy, ary ny “mixte”, rahampitso 9 marsa. Anio 8 marsa kosa no hanokafana ofisialy, ity andiany faha-13, Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana, ity.
Mi.Raz