« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny

Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofi­sim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana ireo mpandraharaha matihanina.
Anisan’ny hampiavaka ity andiany faha-7 ity ny fampahafantarana ireo sori-dalana vaovao azo tsidihin’ny mpizahatany isam-paritra, ankoatra ny efa mahazatra. Tanjona ny hamantaran’ny mpitsidika bebe kokoa an’i Madagasikara amin’ny endriny hafa, indrindra amin’izao fialantsasatry ny paka izao.
Miisa 11 ny orinasa mpikarakara ny mpizahatany (Tour-opé­ra­­teurs) handray anjara, miampy ny Ofisim-paritry ny Fiza­hantany (ORT), hotely lehibe efatra ary ireo misehatra amin’ny tolotrasa samihafa mifandraika amin’ity sehatra ity.
Hisy ny fifaninanana mahandro sakafo, ahazoana loka fivahinianana any amin’ny trano fandraisam-bahiny maromaro.

Njaka A.

Partager sur: