Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny hetsika, mandritra 18 andro. Tanjona ny hamelomana sy hamerenana ny maha izy ny teatra indray, na dia efa misy karazany aza izany ankehitriny.
Vondrona mpiangaly teatra sy vahiny anisan’ny sangany no mandray anjara, amin’ ity «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany ity. Anisan’ izany ny Tropy Jeannette sy ny Compagnie Miangaly Théâtre ary ny Compagnie nouvelle scène Madagascar. Misy ihany koa ireo avy any ivelany sahala amin’ny Lamine Diara sy ny Compagnie Mangano Massip, izay samy avy ao Frantsa. Hisy ihany koa ny piesy hanehoan’ ny tropy tsirairay avy ny maha izy azy. Anisan’izany ny “Fitia maro loko”, an’ny Tropy Jeannette, ny “Mpitondra rano”, an’ny Nouvelle Scene Madagascar, ny “Za koa”, an’ny Compagnie Miangaly Théâtre. …
Lin